Raharaham-piangonana
Nampiana farany : 22 août.
Fandefasana ny raharaham-piangonana farany teo, ho an’izay tsy nanatrika ny fanompoam-pivavahana
Lahatsoratra farany
Vokatra 2010
Mardi 4 mai 2010, mpanoratra : // Raharaham-piangonana
"Ary raha naniry sy namoa, dia vokatra ... avy zato eny" Marka 4:8 VOKATRA 2010 No hanasan’ny Fiangonana antsika rehetra hiara-paly sy hikorana aminy. Ny fotoana dia ho hafanain’ireo sampana isan-tsokajiny sy ny zanaky ny Fiangonana. Luc sy Mahery ary Nini dia ho avy hanafàna ny lanonana ihany koa Ny Asabotsy 8 Mey 2010 Amin’ny 12 ora sy sasany ao amin’ny Salle du Complexe Sportif (derrière Tribune du stade) Rue Dorée 77000 Melun Ny fanompoam-pivavahana fiderana an’Andriamanitra no hanokafana ny (...) Lire la suite »
ETUDE BIBLIQUE
Jeudi 22 avril 2010 // Raharaham-piangonana
Faly miarahaba antsika mpianakavin’ny finoana amin’ny anaran’ny Tompo, Efa nambara tamin-tsika teo amin’ny raharaham-piangonana fa hanohy ny fianarana ny tenin’ny Soratra masina “Etude Biblique” isika eto amin’ny Tafo Melun Izany dia hiatomboka : ny zoma 23 Avril 2010 izao. Amin’ny 9 ora alina (21h) Ao amin’ny Centre Le Rocheton. Koa manainga antsika rehetra mba ho tonga hanatrika ny fianarana sy hanaraka izany, fa manamafy orina ny fiainam-panahin-tsika ny fahalalana ny tenin’Andriamanitra. (...) Lire la suite »
Lasim-piangonana 2010 Versailles
Mardi 26 janvier 2010, mpanoratra : // Raharaham-piangonana
Faly miarahaba ny mpianakavin’ny finoana amin’ny anaran’ny Tompo Tsitoha Efa nampitaina tamintsika, na tamin’ny alalan’ny mailaka, na teo amin’ny raharaham-piangonana momba ny lasy izay ho tanterahana ny asabotsy faha 30 sy alahady faha 31 janoary 2010. Apetraka eo ambany fiahian’ny Tompo ny fahatanterahan’izany Ho Azy irery ihany ny voninahitra Ny mpitantsoratra PROGRAMME LASY 24 JANOARY 2010 ASABOTSY 30 Janoary 2010 14 h30 – 15 h : Fotoam-pivavahana fanombohana 15h – 18 h : Famoaboasana sy (...) Lire la suite »
Fanamafisana fotoana fanopoam-pivavahana 30 Septembre
Samedi 27 janvier 2007, mpanoratra : // Raharaham-piangonana
Mbola faly miarahaba hatrany antsika mpianakavy ny finoana. Mampatsiahy antsika hatrany fa ny fanopoam-pivavahana fanokanana an’ireo Diakona vaovao, ary koa fametrahana ny Birao ny sampana tsirairay eto amin’ny fiangonan-tsika dia ho tanterahina ny Alahady 30 Septambra ho avy izao, ny toerana dia ao amin’ny La chapelle Ste Croix , Le Mée sur Seine, ny fotoana dia manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Marihana fa tsy hisy fampianarana sekoly alahady ho an’ny ankizy amin’io fotoana io. Ho (...) Lire la suite »
Takarivam-pianakaviana 21/01/07
Dimanche 21 janvier 2007, mpanoratra : // Raharaham-piangonana
Ry havana, Ampitomboina aminareo mandrakariva anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika. Ny fiangonana FPMA, Tafo Melun dia faly manasa antsika mpiaradia amin’ny Tompo hanatrika ny Takarivam-pianakaviana izay karakarainy ao amin’ny Centre International Le Rocheton 77000 La Rochette Koa fandrio dien’izao Tompoko ny daty : Asabotsy 27 Janoary 2007 Ny fiderana an’Andriamanitra no hanokafana ny fotoana izay hanomboka amin’ny 7 ora sy sasany (...) Lire la suite »
RAHARAHAM-PIANGONANA 25 DESAMBRA 2006
Jeudi 28 décembre 2006, mpanoratra : // Raharaham-piangonana
Faly miarahaba antsika mianakavy tratry ny Krisimasy, ary samy ho tratry ny taona vaovao 2007 avokoa isika eo ambany fitahian’ny Tompo. Nohon’ny sitrapon’Andriamanitra, dia vita soamantsara ny Antsam-panahy fankalazana ny naterahan’ny Tompo izay nataon’ny sampana Chorale AME tamin’ny Alahady 24 Desambra, koa fisaorana no atolotra azy ireo, ny Tompo anie hanome hery hatrany ahafahany manantanteraka ny fitoriana ny soratra masina amin’ny alalan’ny hira. Torak’izany koa dia vita soamantsara ny (...) Lire la suite »
RAHARAHAM-PIANGONANA 17 DESAMBRA 2006
Lundi 18 décembre 2006, mpanoratra : // Raharaham-piangonana
Faly miarahaba antsika mpianakavy ny Finoana.Jesosy Kristy Tompo anie homba antsika mandrakariva. Nohon’ny sitrapon’Andriamanitra dia vita soamantsara ny "concert" fankalazana ny niavian’ny Tompo izay nataon’ny Sampana STK tamin’ny 3 Desambra. Torak’izany koa, dia vita soamantsara androany 17 Desambra, ny fankalazana ny niavian’ilay Mpamonjy : "Arbre de Noël" ny sampana Sekoly Alahady tamin’ny alalan’ny tsianjery. Androany ihany koa no nanantanterahan’ny Sampana Vehivavy Kristianina ny marché de (...) Lire la suite »
Fotoana volana Desambra 2006
Jeudi 14 décembre 2006, mpanoratra : // Raharaham-piangonana
Mbola faly miarahaba antsika mpianakavy ny finoana. Mandefa izao filazana izao aho ho fanamafisana ny filazana efa natao tao am-piangonana tamin’ny Alahady. Ny fotoanan-tsika manaraka dia ny Alahady 17 Décembre, fotoana hankalazan’ny ankizy ao amin’ny Sekoly Alahady ny naterahan’ny Tompo, ary koa hanaovan’ny sampana Vhivavy Kristianina ny Marché de Noël fanaony isan-taona, ny toerana dia ao amin’ny Eglise Ste Croix Le Mée sur Seine, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro. Ao aorian’ny fotoana dia hiara (...) Lire la suite »
Raharaha 26-11-2006
Mercredi 29 novembre 2006, mpanoratra : // Raharaham-piangonana
Faly miarahaba antsika mpianakavy ny Finoana ; Jesosy Kristy Tompo anie homba antsika mandrakariva. Ho fankalazana ny naterahan’ilay mpamonjy dia toy izao ny fizotran’ny fotoanan-tsika eto amin’ny Tafo FPMA Melun mandritra ny volana Desambra. " Tao ny tena Mazava izay mahazava ny olona rehetra tonga amin’izao tontolo izao" Jaona 1-9 Ny Alahady 03 Desambra : dia hanao concert religieux " Lights of Christmas" ny sampana STK, ny toerana dia ao amin’ny Eglise St Paul, Avenue de La Seine, 77000 La (...) Lire la suite »
Synoda Lehibe FPMA 10-11-12 Nov 2006
Vendredi 17 novembre 2006, mpanoratra : // Raharaham-piangonana
Alakamisy 16 Nov 2006, Ho an’ny Filohan’ny Tafo 34 FPMA, Ho an’ny Filohan’ny faritany 6 FPMA, Ho an’ny Mpitandrina sy mpiandraikitra ambaratonga rehetra FPMA (Fiaraha-mivavaka, sampana iraisina, Tafo, Faritany, vaomiera,...) Ho an’ny vahoaka FPMA, « Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary fahamasinana. » (Heb.12/14a) Teny fanevan’ny Synoda Lehibe FPMA faha-31 Ry Havana, Miarahaba anareo amin’ny anaran’i Tompo Jesoa Kristy ary dia * Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika fa vita soa (...) Lire la suite »