Mikasika ny sampana

Lundi 25 février 2008, mpanoratra : AME // Antoko Mpihira

Fampahafantarana mikasika ny sampana

Ny anarana entiny

Ny sampana antoko mpihiran’ny tafo Melun dia mitondra ny anarana hoe A.M.E

Ny fotoana famerenan-kira

Indroa isan-kerin’andro ny fotoana fianaran-kira :

- ny sabotsy hariva amin’ny 15:00 - 17:00. Mbola eo am-piandrasana ny famaritana ny toerana famerenan-kira mahazatra ny sampana.

- ny alahady amin’ny 3 ora mialoha ny fiangonana.

Ireo tompon’andraikitra ao amin’ny sampana

- Mpampianatra hira : RAMBELOSON Hajatiana
- Mpandrindra ny sampana : RAMBELOSON Hajatiana
- Mpitam-bola : RAKOTONJANAHARY Rondro Panoel
- Mpitantam-bola : ANDRIANARIVELO Eugène
- Mpitan-tsoratra : RAMBELOSON Tatamo.

Fitsipika anatiny

Mipetraka ao amin’ny birao ny fitsipika anatiny mifehy ny sampana izay nolaniana tamin’ny 06/05/2005 ary mbola manan-kery ankehitriny.

Latsak’emboka

20 € isan-taona ny latsak’emboka ataon’ny mambra tsirairay, ho enti-manana amin’ny fikarakaràna, sy fanaovana ny adidy rehetra izay napetraka araky ny fitsipika fifampitondrana ao amin’ny sampana. Azo aloa tsikelikely izany latsak’emboka izany.

Fitorian-teny an-kira

Ankoatry ny fandraisana anjara ao amin’ny fiainam-piangonana, ny antoko mpihira dia mandray anjara ihany koa amin’ny vanom-potoana samihafa eo amin’ny fiainan’ireo fiangonana 2 mampiantrano ny tafo Melun :
- ny fiangonana ERF Melun,
- ny fiangonana katôlika Eglise La Croix Blanche - Le Mée-Sur-Seine.

Répondre à cet article