Rindran-kira Henri Ratsimbazafy - FIAP Jean Monnet Paris 14e - 15/03/2008
Lundi 25 février 2008, mpanoratra : // Antoko Mpihira
Rindran-kira Henri Ratsimbazafy - FIAP Jean Monnet Paris 14e - 15/03/2008
“Hoy izay mihira sy mandihy : Ny loharanoko rehetra dia ao aminao.” Sal. 87 and. 7

Hetsika enti-manana ho amin’ny Choralie X
Ry Havana,
Ho aminareo hatrany anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Ny sampana antoko mpihira avy eto amin’ny tafo Melun dia faly manasa ny mpanankavin’ny fiangonana manontolo hanatrika ny rindran-kira izay hataony miaraka amin’Atoa Henri Ratsimbazafy
ny sabotsy 15 martsa ho avy izao manomboka amin’ny 9 ora alina
ao amin’ny centre FIAP Jean Monnet - 30 rue Cabanis Paris 14ème
Izany hetsika izany dia hataon’ny sampana hikarakarana ny enti-manana amin’ny saran-dasin’ny Choralie X izay ho atrehany any Bordeaux ny 1-2-3-4 mey ho avy izao.
18 € ny vidim-pidirana,
Koa fandriho dieny izao ary ny toerana :
any amin’ireo mambran’ny chorale rehetra, na
miantsoa tel. 06.76.96.13.99 / 06.87.37.47.32
Raha mila fanazavàna fanampiny dia manorata amin’ny email : mrambeloson@yahoo.com
Dia mametraka ny veloma mandram-pihaona aminareo eo ambany fiarovan’ny Tompo, ary maniry ny fahatongavan’ny maro an’isa hanatrika ny rindran-kira.
Ny biraon’ny sampana