Rindra-kira 13 marsa 2010

Mercredi 10 mars 2010, mpanoratra : AME // Antoko Mpihira

“Mba hanao feo fiderana, ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra.” Salamo 26 : 7

Melun, faha 21 febroary 20

Ho an’ny Sampana Antoko Mpihira Faritany afovoany atsinanana

Ho an’ny Sampana Antoko Mpihira 37 Tafo FPMA rehetra eto frantsa

Ho an’ny Fianakaviam-be Fiangonana FPMA manontolo Antony :Vaovao Hetsika enti-manana ho amin’ny Choralie

Ry havana,

Ho aminareo hatrany anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’i Jesoa Kristy Tompontsika.

Ny sampana antoko mpihira Tafo FPMA Melun dia faly manasa ny Antoko Mpihira rehetra eto anivon’ny FPMA manontolo ho tonga hanatrika ny rindran-kira izay hataony miaraka amin’ny tarika ANTSAPRAISE (2 ou 1 mots ??)

* ny Asabotsy 13 martsa 2010 ho avy izao manomboka amin’ny 7 ora sy sasany alina

* ao amin’ny Eglise Saint Dominique ( La Crypte) 18, rue de la Tombe Issoire 75014 Paris

Izany hetsika izany dia hoentin’ny Sampana mikarakara ny enti-manana amin’ny lasin-kira Choralie XI izay ho atrehany any NANCY ny 13-14-15-16 mey ho avy izao.

* 15 € ny vidim-pidirana ho an’ny lehibe ary 10€ ho an’ny ankizy

Koa aza misalasala ny mamandrika ny billet amin’ny Mpandrindra ny Sampana : Rtoa Rondro Rakotonjanahary : panoelrondro@gmail.com na fifandraisana an-tarobia ny 0647212568 / 0622789953

Dia mametraka ny veloma aminareo eo ambany fiarovan’ny Tompo, ary maniry ny fahatongavan’ny maro an’isa indrindra hanatrika izany fotoana izany.

Amin’ny anaran’ny Biraon’ny sampana

Ny mpandrindra

Rondro Rakotonjanahary

PDF - 102.8 ko

Répondre à cet article